MIALA LALAGNA RAHA TY! VERY NY TIM, Eto eky!

Nampidirin'i zaonaonavy | 24 Jan, 2009

Miala lalagna ny fitondran-dRavalo, tsy tana intsony raha ny zava-misy ankehitriny no jerena.

Tsy hilaza miara-mahita aho ny hamaron'ny olona zakan'i Andry, tamin'ny voalohany tsy i ANDRY AKORY NO NATANJAKA FA NY FANJAKANA mihitsy no nanome azy hery ka izao iaraha-mahita izao ny vokany. Mba toy inona sy iza loatra re ny mpanolontsain'i Filoha ao no dia manaotao foana toy izao é.

Tsy mendrika an'i Gasikara intsony ny ady saritaka, fotoana tokony handehanana mafimafy kokoa izao fa tsy fotoanan'ny ady, nefa moa izao no misy ka ny teniko fotsiny angama dia tsy ho hisy velively ny ady raha tsy mamaly ny ankilany, izay angamba no fahendrena.

Efa azon'ny Andry ny Hery rehetra satria nirahina hamoaka hery izy, ka ny fahendrena dia ny manaraka izay lazainy mba tsy hitaran'ny fitakiana. Efa faratampony tokoa ny fitakiana amin'izao fotoana izao ka anjaran'ny fanjakana ny mijery ny lalankivoahany fa mitovy amin'ny Cyclone namely an'i Morondava ihany ny fihavian'olona maro teny Ambohijatovo androany ka ny an'ny fanjakana sisa andrasana.

Mbola hanao hadisoana ihany koa ve, satria tokony efa nahatsapa fa tsy manana hery iadivana amin'ny Andry akory raha ao Antananarivo ao fa lalana hafa tadiavina hivoahana amin'izao savorovoro izao.

Manampy trotraka koa ny any amin'ny faritra rehetra any amin'ny fahalemen'ny TIM, satria mantsy dia tsy navela mba hifidy izay hitarika azy akory ny tany rehetra tany fa dia mpikambana iray no manendritendry izay tiany anaovana azy eo ka tsy mahagaga raha toa ka tsy matanjaka intsony ny TIM amin'ny faritra rehetra, satria nihevitra ny birao politika sy ny minisitra Coatch fa tsy maintsy manaiky izay tiany atao ny Base. Efa maro ny olona niala TIM, satria tsy tia ny tiankano tsy tiankano.

Aoka izay ny hadisoana fa mba alaivo ihany ny hevitry ny olna rehetra na dia heverinao fa kely saina noho ianao aza.

Aza manao contre-manif izany fa hakanosana izany sady tsy matotra rahateo, zavatra lazainao tsy mety ve dia hataonao indray. Mba fisainana inona loatra koa izany?